Tsy vita ny tantara (KABATRITRA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY VITA NY TANTARA


Ny tantara dia tantara
Tsy voakosoka indrisy
Na inona anjara
Dia izay no zava-nisy.

Ny sehatra rehetra
Dia vitantsika sary
Voapika hitoetra
Anatin'ny diary.

Ny tantara anefa moa
Tsy voatery anaty boky
Fa holatra am-po
Na hery vao ho toky.

Rotsio ny tsiahy
Ho renoka any tsara
Satria ekeko fa :
Tsy vita ny tantara !

KABATRITRA
07 NOVAMBRA 2004
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana - Fitiavana
1348 3
Mpakafy: betroka - nyeja - toetra
Hevitra mandeha
nyeja ( 08/11/2004 18:45)
setrin'ny tononkaloko"izay no vita ny tantara " ve io ry batritra ???? mba mahaliana ahy raha izy marina mantsy !
Ny Eja
kabatritra ( 08/11/2004 22:56)
Tena izany mihitsy ry ny eja. Aza tezitra an ! Tiako be ilay niantsoanao ahy hoe batritra !
nyeja ( 09/11/2004 18:33)
hay ve tianao ilay hoe batritra e za zao saika hiala tsiny fa nandiso anaran'olona !. Tsorina aloha fa anisan'ny tononkalo nanaitra ahy izy ity e, tsara ilay izy ary ny ahy efa sangan'asa tsara dia mendrika hoderaina , mahereza e !.
Ny Eja
kabatritra ( 09/11/2004 23:36)
Misaotra sy mankasitraka anao aho ny eja.
NyKanto ( 10/11/2004 19:11)
Nisy olon aniresaka tamiko ary nilaza hoe : "Tsy izay voalaza hoe efa vita no atao hoe tapitra tanteraka" .
nyeja ( 11/11/2004 06:37)
nomeko isa dimy ilay izy an
Ny Eja
kabatritra ( 12/11/2004 23:13)
Marina indrindra io ry NyKanto.
Misaotra indrindra ry Ny Eja. Tena namana tokoa ianao.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : KABATRITRA
Nampiditra : kabatritra
Daty : 07/11/2004 23:43
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014