VOATAHIRIKO NY PEJY - KABATRITRA
Azo vakiana?
VOATAHIRIKO NY PEJY
Notahiriziko ilay boky
Misy pejy mampangovitra
Haizina mandrava toky ...
Indro izy tsy voarovitra.
Rehefa tony iny aho
Mifoka rivotry ny alina
Ary lavitra talaho :
Sahy mamaky nefa malina !
Fa ao anatiny ao tokoa
Misy raki-bolamena
Ary lesona mahasoa
Izay no ekeko ho fahendrena !
KABATRITRA
24 AOGOSITRA 2005
Sokajy :
Ady
Hevitra mandeha
fiaritiana (26/08/2005 20:23:08)
ny anao izany notehirizina fa ny ahy navadika
tsara e
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : KABATRITRA
Nampiditra : kabatritraDaty : 25/08/2005
Mpamangy : 900
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
Tsy vita ny tantaraTsy toky