SAINGY... (KALASOA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Saingy…

Rindran-teny kely, tsy tononkalo tsara vaotra
Hilazako aminao izay ao am-poko te hitraotra
Maro ny efa henonao, ny teny mamy hatramin’izay,
Anio anefa dia ezahiko averina aminao indray:

Tia aho, revo, mitsonika aminao tanteraka
Angamba koa adala nandray ny tananao, tsy menatra!
Ny foko anefa no nanaiky sy niteny hoe “eny”
Izay rehetra nanasaraka, nikipiko ombieny ombieny!

Manontany aho ry tiako, fa naninona ary isika?
Adalain’ny fitiavana, tsy amelany, mila hivika!
Mety ho fitsapana ve? Avy amin’iza? Fa nahoana?
Isika izay mifanalavitra sy mifanelanelan-taona!
Gadra kely, tsy te hiala. Te hanaraka fa tsy afaka!
Mararirary indraindray, entim-po, mila ho latsaka
Ranomaso tsy lazaina, mikiaka anaty, mitaraina…

Raha vao eo anefa ianao, misava ny aloka rehetra
Manjavona avokoa izay sakana mametra
Jamba angamba rehefa tia, na tsy te ahita tsotra
Azon’inona? Tsy hay ! Sa fahalemena vao nipoitra?

Tsy hanenenako izay vita, omeko rariny ny foko
Na dia fantatro fa diso aho, tia anao antsokosoko
Ambetin-teninao mazana, mandrotsirotsy ny hoe “tia
Raha azonao natao nalainao aho ho doria
Indray andro any hoy ianao hiara-hitoetra isika roa…”
Sao dia nofy ny anao, ka kapoka no nde hamoha?

Tsy mbola tojo toa anao aho teo amin’ny fiainakeliko
Voafetra anefa ny azo atao…Amin’iza no hitarainako?
Vao tsy ela akory ianao nanontany hoe: mandrakizay?
Ontsa kely aho tao anatiko. Eny foana raha ianao… saingy
Ny lalanao efa voasoritra, taona maro lasa izao
Ataoko ahoana moa ny hanova izay anjara tsy ho ahy!

K.
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana - Fiainana - Alahelo
1124 0
Hevitra mandeha
tsikikely ( 26/11/2006 17:12)
Nahafinaritra ahy ny namaky ny asa soratrao. Mahalaza zavatra betsaka ny momba ahy sy izay olona izay.
kalasoafy ( 27/11/2006 18:42)
Faly aho mamaky ny fanehoan-kevitrao hoe misy olona hafa koa nihaina ny tantarako. Mankasitraka.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : KALASOA
Nampiditra : kalasoafy
Daty : 25/11/2006 22:04
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
Tononkalo hafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0166