Ankamantatra? (kanto sarobidy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fa iza moa ianao,no sahy mianika ny avo
Miezaka manintona ny jerin'ito foko
Iza mba lazao,moa hitondra ravoravo
Sa kosa re miery, lavitr'ito fo toloko

Tsy azo vinaniana ny mety ho tanjonao
Tsy takatrin'ny saina ny irakao sahanina
Toa rako-pifalina sy mitondra hery vao
ilay kalonao kaloina, heverina mahafanina

Mba iza marina aza,ary inona no antony
Fisian'ity mpikalo iray izay mambabo fo
Miventso sy mihira ka milanto éry ny kantony
Toa manambara foana ny hoe"tena tia tokoa"
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1351 5
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : kanto sarobidy
Nampiditra : kanto01
Daty : 01/11/2017 14:07
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0097