You are here: home > Vetso

Tsiarom-pitia - kanto sarobidy

Azo vakiana?

Asa raha tsapany zay ato ampoko
fa miaritra irery ny ngidy mafaitra
ka rakotra haizina miampy toloko
Mikiky ny foko,manapaka zaitra

Asa raha re-ny ny antsom-pitia
Mibitsi- mangina,miaritra jaly
Tsy tsininy nefa raha tsy heno satria
Ny endriko ivelany toa falifaly

Moa ve nosaininy,na dia kely monja
Ny topim-pitia,izay navokan'ny foko
Zay miaritra mafy,ka miha-manonjan'..
ny geja alahelom-pitia mitoloko

Hametraka hevitra

Midira aloha