Ny Fo sy saina.. (kanto sarobidy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Maditra ialahy ry fo,mikiry tsy mba laitra
Miaritra sy miafy ny mangidy sy mafaitra
Tsy mba mahalala hononona ny hita efa tsy tia
Sa mbola manantena valin-teny ianao satria....

f'izy mbola tsy nilaza..
fa nanao fitiavan-jaza...

Maditra ianao ry saina,tsy mety manadino
Ny zavatra efa hita tsy ho toa fa mbola mino
Mikiry anaty hatrany,manjohy tsy mety miala
Miara miombom-po amin'ity fo adaladala

zay mbola manantena..
tsy atao an-katerena..

Tsy laitra loatra lahy ny fitiavan'izy roa
Fa maditra tsy hay tenenina ity saina sy ny fo
Miandry ,manantena ny fahagagana hiseho
Na taona firifiry hono zareo tsy mba ho leo..

fa mbola misy kiry..
tsy maty fa mitsiry..
--------
Rohy:
1034 1
Mpakafy: kanto01
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : kanto sarobidy
Nampiditra : kanto01
Daty : 10/09/2017 06:06
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0163