Nisy anao... (kanto sarobidy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha mbola tsy arĂ¿ akory ny tao amponao tao
No efa nisy tia sy naniry anao ho namana
Miandrandra valiteny mahafa-po raha sitrakao
Ny fony izay mitia antsokosoko tsy hay sakanana...

fony mbola tany anatinao ny fahazazana
no efa azy nitsiry tao anatiny ny fitiavana
fa tsapana na kely aza dia nisy fahabangana
ny fiaina-tsisy anao,andosiran'ny finiavana.....

Manantena anao ny fony,rehefa ary elatra
Andrin'ny fitiavany na taona maro an'isa
Ny fonao sy ny saina,hiriny mba hivelatra
Ka hahatsapa ilay fitia izay toy ny paradisa
--------
Rohy:
1088 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : kanto sarobidy
Nampiditra : kanto01
Daty : 07/09/2017 17:20
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0153