Ny setrasetranao.. (kanto sarobidy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Noratrainao sahady,ny fony raha nitia
Vao namindra tokana tamin'ny fitiavana
Nodinao tsy tsaroina ireo tokinao doria
Fa norakofanao izany aizin'ny fandavana

Eny,
sitrapony ny azy,ny hitia hampanajana
Ilay fonao noheverina fa rakotra fitia
Nitia tsy nisy fitaka ,tsy nisy fankahalana
Fa kosa ny fony dia voaratranao nania

Betsaka ireo toky,izay nomenao azy
Tsy vitsy koa ny teny sy ny angolam-pitia
Fa hay fanababoana natao kivazivazy
Mba hakana ny fony izay marefony satria...

Babonao ny fony ,nanaiky anao ho tiana
Nanaraka ny fonao n'aiza misy anao
Nisaina raha nizotra ireo tanjom-paniriana
Fa tokana ny fony ,ho anao tsy ho kilalao....
--------
Rohy:
945 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : kanto sarobidy
Nampiditra : kanto01
Daty : 07/11/2017 19:42
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0099