rehefa tia.. (kanto sarobidy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mitamberina ato anatiko,ny sitraka sy jaly
Mikiky ny ato ampoko,nanjary nalahelo
Nanakona indray ilay ora nampifaly
Namotika ny saina sy ny fo mamelovelo

Natsiaro indray ny lasa,tina tsy ho tadidy
Rakitra tsy miala mifikitra ny mafy
Anaty foko ao nefa milaza fa safidy
Ka na inona alaelony,tia aho ka dia miafy

Koa..

Hitia sy hanaja azy aho,amn'ny androko rehetra
Hitia tsy mba hiato sy hiaro tsisy fetra
Fa mahery ny fitiavany ato ampoko manolona
Ka tanako ny teniko dia ny " hitia an'azy foana"
--------
Rohy:
1191 1
Mpakafy: kanto01
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : kanto sarobidy
Nampiditra : kanto01
Daty : 31/08/2017 20:14
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139