tsy hampanonona azy (kanto sarobidy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Anivonivon'alina,ny fony no miantso
Miangavy ,mitalaho f'izy mbola tia
Miondrika miandrandra,mikely ny andraso
Fa babonao ny fony ,tsisy lainga sanatria

Tsy hampaninon'azy,na dia sombitsombiny
No atolotrao ho azy,hoe mendrika ny fony
Tsy hampaninon'azy koa na mbola soritsoriny
Izay asehonao,eo anivon'ny tontolony

Fa raisiny avokoa,tsy ho ataony nenina
Izay tolom-ponao ho azy mban'ny fitiavany
Ho harindrany ao am-pony,rafitra @peniny
Mba ho nofinofiny hitokiny anao ho anjarany
--------
Rohy:
715 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : kanto sarobidy
Nampiditra : kanto01
Daty : 18/10/2017 09:45
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1024