You are here: home > Vetso

Tsy mendrik'ahy ianao - kathia

Azo vakiana?

Izao tontolo izao,ny fitiavako rehetra
Notolorako anao tsy nilaiko fepetra
Tsy nasiako fanenenana fa nataoko antsitrapo
Satria notiaviko ianao,notiaviko tokoa

Na fitiavana na vola,tsy mba nisy notsitsiko
Fa natolotro anao ,ho anao ry olontiako
Ny herimpoko,ny herintsaiko,s'reo rehetra ankoatr'zay
Dia nafoiko  anao daholo na ireo sitrany ahay

Nef'indrisy fa very maina!
Izao ndray no toa nangaina
Fa tsy mendrik'ahy ianao
Tsy mendrika ny fitiavako
Ka ny hanadino anao no hilofosako rahavako

Tiko  enao,tena tiko!
Fa tsy entiko hijaliako
Fa ra fitia tsy mifamaly
Avelao fa makarary

Sokajy : Hambom-po

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : kathia

Nampiditra : potraka
Daty : 30/05/2005
Mpamangy : 1102
Mankafy : 1

Tononkalo hafa

D├ęsespoir
Tsy mendrika