Tsy mendrika (kathia)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Izao tontolo izao,ny fitiavako rehetra
Notolorako anao tsy nilaiko fepetra
Tsy nasiko fanenenana fa nataoko antsitrapo
Satria notiaviko ianao ,notiaviko tokoa

Na fitiavana na vola,tsy mba nisy notsitsiko
Fa natolotro ho anao,ho anao ry olontiko
Ny herimpoko,ny herintsaiko sy reo rehetra ankoatr\'zay
Dia nafoiko anao daholo na ireo sitrany ahay

Nef\'indrisy fa very maina! izaho indray no toa nangaina!
Fa tsy mendrik\'ianao,tsy mendrika ny fitiavako
Ka ny fanadinoina anao no hilofosako rahavako

Tiako ianao,tena tiko
Fa tsy entiko hijaliko
Fa ra fitia tsy mifamaly
Avelao fa makarary!
--------
Rohy:
Sokajy : Hambom-po
1412 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : kathia
Nampiditra : potraka
Daty : 30/05/2005 12:26
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101