AZA TSINY (Koloina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Aza tsiny

Ialako tsiny indrindra raha toa ka lasa latsapaka
Mandoro ny ao anatiko
Ary maka toerana sy miha-mahazo laka
Ilay fitiavako anao tsy mbola nolazaiko

Manaiky aho hoe vehivavy fanaka malemy
Mety tsy anjarako ny misafidy izay olona hiara-dàlana amiko
Fa raha resaka fitiavana dia avelao aho mba hiteny
Avelao aho hanambara na aza homenao tsiny

Ts'izany mantsy fa manintona ahy loatra
Ny endrikao sarika, ny vatana ranjanana
Ilay mody mampiresaka,miaraka amin'ny akanjo tsara voatra
Na ho tsiny na ho fondro ,ny fitiavako anao efa tsy hay tohanana

Aza tsiny indrindra raha tsy mahalala fomba
Fa na izaho aza izao vao mino hoe rehefa tia adala
Ka tsy maintsy aho hisisika ny halala ny mombamomba
Sy izay rehetra mahakasika an'ialahy

16 -04 -2026
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
27 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Koloina
Nampiditra : Vonjisoa-Andjanirina
Daty : 07/05/2026 10:14
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
Tononkalo hafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0352