METEZA ('Lay fo hafa kely)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fa ny rivotra iainana, nomeny tsy nangatahinanefa misy tsy misaina na koa mody fanina
milaza fa ny andro anio sy ny asa efa vita
herin-tsandriny madio fa hianao no tsy mahita
Dia mirehaka fa mahay tsy mila intsony fanampiana
ka raha hiresahana fa ny Ray no nahatonga ny fitahiana
dia mitraotra avo teny no sahy mihitsy milaza
fa resa-be raha ireny, fa aza manao resa-jaza.
Saingy izao no tsarovy fa ny volabe sy ny harena
mety hahafaka ny rofy no mety hahatsara koa ny tena
fa ny fanahinao nandevoziny nobaboiny ho miaramila
dia hivesatra lonjony... nefa aoka tsy ho dilan’
ny fiverenana amin’ny Ray, ilay nahary ny tontolo
sy ilay fiainana rahatrizay dia ilay tsy mety bobongolo
sy Jeso Kristy Tompo, ilay ho Edena vaovao
ka miverena etsy ho dioviny ny loto, meteza...ndao.
--------
Rohy:
Sokajy :
Vavaka