Veloma Neny (Laza Andriamalala )

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hommage à la mère de Aina Nandrianina

Tsy aiko ny tsy hiteny
Sy anambara ny ato ampoko
Fa feno loatra ry Neny
Ka tomany sy toloko

Ity zanaka tsy mba nahafoy
Nahoana re no nilaozanao
Mbola manantena iròny
Anatra avy aminao

Ditsoka ny maso mitoloko mangina
Mamerina ireo hanihany fifaliana
Tsy hisy hahasolo mantsy na ohaviana
Ireo vitanao ry malalako tiana

Efa niala-nenina izahay
Efa noforonina ny tsy misy
Kanefa tsy tàna ny ainao
Nofo sisa mitoetra. Indrisy!

Hionona satria fantatray
Fa efa sambatra ianao mianoka ilay
Paradisa soa nandrandraina hatry ny ela
Anilan'i Jehovah, zahay koa manantena.

Mandriampiadanana ry Neny malala
Fa any andanitra any no fotoana
Fiainambaovao izay iaraha-mahalala
Fijaliana fahoriana dia samy ho foana!
--------
Rohy:
703 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Laza Andriamalala
Nampiditra : alf
Daty : 14/02/2020 09:22
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0096