... Takaro (Lodin Andriamanitra.)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
...
Fantaronao ry indrisy ...
Enga anie ianao hahatakatra,
Fa ny afo be dia tsy misy,
Ny paradisa no ankamantatra.

Zava-boary potika sy rava,
Ny fihariana miha-ritra,
Fitiavan-tena sy ady lava,
Izany no afobe an-tsika.

Leo miaina ny tanora...
Ny fanantenana miha-ritra,
Ny fivelomana tsy mora...
Izany no afobe an-tsika.

Toa tsara ny omaly...
Fa nahoana ny ankehitriny...
No feno jaly sy tomany?
Sa kosa azon-tsiny...?

Tsia, Mandiniha lalina,
Fa ny tantatra mitahiry,
Karohinao ny marina...
Fa ny aina manan-jiny.

Rahatrizay ka takatrao,
Na resy aza dia ho tony,
Dia atsikio ny nifinao
Fa tsy hadisoanao akory.

Enga anie ny tody sy ny razana..
no hamaly ary koa hanangatra,
Ireo tsy mataho-tody sy mpamotika,
Ity tanindrazana efa rotika.
--------
Rohy:
576 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Lodin Andriamanitra.
Nampiditra : lodin
Daty : 01/08/2019 09:33
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141