Ity tany Paradisa (Lodin Andriamanitra.)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ity tany Paradisa.

O ry olombelona eto an-tany
Mba saino kely ihany

Fahaiza miaina no ilaina
Dia ho mamy ny miaina

ety ambonin’ny tany
Fa tsy any an danitra any

Tontolo tsara tena tsara
Ho an’i dimby sy ny fara

Zava boary lavorary
No nomen’ilay nahary

Sanatria ilay oe maloto
Izay Novolena tato am poko

Ka hiandrandra tany hafa
Hoy iretsy mpanambaka

Manantena ny an koatra
Ho tontolo tsara voatra

Mifohaza re ry saina
Fa lafo vidy anie ny aina

Mampalahelo re ny tany
Mitaraina mitomany

Very mpiahy mitaraina
Nefa Ianao ilay andrandraina

Ka raha ny fitiavanao rehetra
No any an-koatra no alefa

Dia mba ts rariny tokoa
Raha ilay reny mpanasoa

No hadinoina ts jerena
Ka ambaniana tsy omena

Ny fitiavanao rehetra
Toy ny azy tsisy fetra

Manome hatrany hatrany
Na ny soa na ny mamy

Ho anao izay zana-tany
Mba Tsarovinao izany …

31/05/2023 Lodin Andriamanitra.
--------
Rohy:
135 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Lodin Andriamanitra.
Nampiditra : lodin
Daty : 14/12/2023 15:50
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
Tononkalo hafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0159