KANTO (LOVA (ANDRIATINASOA Mario Dino))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Kanto loatra akia ka kanto !
Raha ny hatsara-bikandrÿ.
Kanto loatra akia ka kanto !
Kanto mahate ho tia.

Ilay fitsiky manjopiaka,
ilay fijery mibaliaka,
aoka akia fa resy aho.
Tena kanto raha ianao.

Ilay famindra lantolanto?
Raha iny no mitranga,
dia hoy aho: tena kanto.
Kanto ianao ry voromanga.

Kanto ianao ka mahaliana,
kanto ianao ka nampangina,
kanto ianao ka tena tiako,
kanto ianao ry Fifaliako.

Ny vetso-poko moa no miantso,
milaza koa fa tena tia,
hoe tia ahy ve ianao ry kanto ?
Enga anie ho eny akia.
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1375 3
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : LOVA (ANDRIATINASOA Mario Dino)
Nampiditra : dino2016
Daty : 16/08/2016 19:03
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
Tononkalo hafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0093