Ny elanelan-tany (Lyam)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tonon-kira iray mba tiako ho zaraina aminao raha sitrakao satria:
… rehefa lasana any lavitra any manembona ny tiana … eo amoron-dranomasina fikaloko mangina hanariana fahoriana … tsy mety anefa indrisy fa be ny faniriana … ity rano ity no hany mampitohy ny morotsirakay … tsy afaka mandeha.

Ny elanelan-tany!

Sentosento lava ny fianako aty
Malahelo foana aho lavitra an-dry
Ranomaso foana isan-kalina
Tsy hahitan-tory, manina aho

Ny elanelan-tany moa toa lavitra be
Raha mba nanan’elatra aho dia afaka nandeha
Isaky ny mahatsiaro, isaky ny manina
Mahatsiaro irery aho tsy ho tafarina

Faniriako foana ny ho anilanao
Nefa atao ahoana raha any ianao
Izaho nefa hatoky fa miandry ianao
Hiverina aho no toky omeko anao
Lyam
--------
Rohy:
Sokajy : embona - Alahelo
1606 1
Mpakafy: lyam
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Lyam
Nampiditra : Lyam
Daty : 07/12/2008 18:39
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0136