Commentaire à propos de Ilay sakaizako tsy hita maso

Revenir à Ilay sakaizako tsy hita maso
hery ( 15/06/2009 10:52)
Mbola ho mamy toa izany ve rehefa tena hita maso? :-)
milaibe ( 15/06/2009 12:54)
Ho mamy tokoa anie ny fiarahantsika ary dia hitombo hatrany zany afom-pitiavana izany
hery ( 15/06/2009 15:42)
Misy raikitra angaha any izany? :-)
maeva74 ( 15/06/2009 17:15)
Mety izay vao tena midorehitra ry hery an! mety misy raikitra any ho any angamba koa
hery ( 15/06/2009 21:04)
Ny lafiny mahatsara ny fitiavana toa itony dia satria mitsiry alohan'ny zavatra ety ivelany ilay fitiavana ka tsy voasakantsakana. Rehefa mihaona rehefa avy eo dia ilay fitiavana no matanjaka kokoa noho ny fisehoana.

Indraindray mieritreritra mihitsy ianao hoe raha hitako mialoha ity olona ity dia tsy no latsa-pitia azy akory aho.
maeva74 ( 15/06/2009 21:22)
alohan'ny hifankahitana dia efa feno fitia ilay fo ka n'inona mety ho ( surprise) dia efa vonona ny amin'izany sa tsy izany hoy ianao tsy asiana fanontaniana
milaibe ( 15/06/2009 21:36)
Hery ;misy éléctricité hono dans l"air é
maeva74 ;tiko fotsiny tsy asiana hoe ahoana
maeva74 ( 15/06/2009 21:45)
Tiako fotsiny ianao ,
tsy asiana hoe nahoana
na tovonana satria
fa tiako fotsiny amin'izao
fa ny satria sy ny nahoana
dia mety hahasakana ilay fotoana
( izay ilay hira)
jobamilay ( 15/06/2009 21:46)
Matoa niroso @ fihaonana dia efa ao ilay Fitiavana
Ka na inn mitranga? ny fitia tsy ho latsandanja
Eny mety fifaliana? na koa ho fahagagana?
No aterak'ilay fihaonana nahitana ilay malala


fahamarinana ( 16/06/2009 04:48)
maeva 74:tononkalon'ny Rado izay misy "tiako ianao ,tsy misy nahoana ,tsy misy satria izay !Isan'ny tononklaony tena lalaiko fatratra !Rehefa tojo ilay fitiavana tahaka izay dia tena hummm !,eny na manahirana aza satria feno loatra !
ity apetrako eto ity ho anao :

FOTSINY

Tiako fotsiny ianao
Tsy asiana hoe "nahoana"
na tovonana "satria "
Fa tiako fotsiny amin'izao
Tsy amerana fotoana
Tiako fotsiny doria

Ny" satria" sy ny "nahoana"
mety ho takatry ny saina ?
tetika ikendrena laka...
haingon-teny babagoana
rindram-bolam-bery maina
ravina tsy misy faka

Tsy ny teny izay tononina
no hahafeno ny fitia
efa feno rahateo
Tsy ny toky izay foronina
mora rava sy malia
fa ny fo tsy mananm-peo

RADO

Ary raha sanatria ny contraire n'izay ? mety miova rehefa mihaona,fa fomba fijeriko manokana izay fa inona tokoa moa no tsy resin'ny fitia raha tena ilay tena izy ? Za ilay tsy dia optimiste zay,tsy dia tia surprise surprise ,sady tsy tia maminany koa !mila mahita mivatana sy mahatsapa fa rahavao an'eriteritra fontsiny ihany dia mety hiova na ho lefy andro na volana na taona vitsivitsy aty aoriana !Tokoa moa zany an !!
Dia mirary soa raha tena marina ilay voalazan'ny tononkalo e !
maeva74 ( 16/06/2009 07:06)
Misaotra an' i Famarinana nanome ilay tononkalon-dRado fa tsara be,ny fitia tsy mba azo refesina fa toa tongatonga eny ihany , ilay fo nahay nifanaraka ve no naharaiki_ pitia sa ilay herim- baratra mahery no nandona an' azy roa tao @ ilay seraseram_ pifanadraisana ?( éléctricité dans l' air )
fahamarinana ( 16/06/2009 09:53)
Toa ilay izy roa tonta angaha no marina kokoa !
Tiako loatra ilay hoe " herim-baratra "! Mety ho valaketraka ihany tratra izany an !Na dangy eo noho eo na velona fa mitsipozipozy ! Fa ny fanatenana no atao maro be ! Nefa indriny manko fa Za sy ny fanantenana tsy dia mifankahazo loatra ,ny ahy ,hatreto aloha ,dia ny androany no ianinako miaraka amin'ny hafaliana,fahoriana,fijaliana raha misy ,fahasambarana manginy fotsiny fa ity Fanantenana ity toa tsy dia andriko loatra !
Fa za izay an ! Tahotra ve no azo ilazana izany ?
endrika01 ( 21/06/2009 10:36)
Maeva74>Zah matahotra anle électricite dans l'air ,hi hi hi

Nirilala ( 27/06/2009 14:13)
hanahoana tokoa ary rehefa mihaona ry zareo. izaho indray optimiste fa tsy toa an'i Fahamarinana. Ny tena fitiavana matetika dia hafa noho ny fahita mahazatra.
maeva74 ( 27/06/2009 17:30)
"Ilay fanantenana ve? mahalasa adala idraindray ,satria toa sasa-miandry miandry miandry foana nefa tsy ho avy intsony" nefa misy koa ny mahatoky an- drafanantenana ka mety ho lafatra sy hisy vidiny ilay fiandrasana, efa mafy angeh ilay fiandrasana ilay fotoana ka mety ho lafatra tokoa ilay ora iray niandrasana hatrizay e!
"Mitalao aho re ry fotoana , mba tongava haingana izato ianao
fa efa vonona izy ireo ny hiandry sy hankafy ilay ora voatendrinao"
endrika01 ( 28/06/2009 08:11)
iza hono ilay Sakaizanjy!

bitsibitsio an
maryline ( 30/06/2009 16:32)
Tamin’ ny mamanton’ alina no nifanenako taminao
Tao anatin’ ity kianja seraseram- pifandraisana ity
Teny ho eny nifanankalo soratsoratra izaho sy ianao
Dia nitombo teny ny fifankazahoana ka lasa nifankatia

Mba maniry koa aho ny hahita fa ny hita maso mivantana mankarary fo fotsiny
Malita ( 10/05/2010 12:42)
ouuun tsara ity tononkalo ity
Marina ny an'i Hery hihi
Ajouter un commentaire
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0092