Sombin-kafatra (MAHENINA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Sombin-kafatra


Sombin-kafatra tsy nahy
no nahafantaranao ahy
sombin-kafatra hafa kely
eto ambaravaran-kely


Soa fa nisy ny fitia
ka ny antso at-tariby
no fitaovan-tserasera
hiaro azy tsy hianjera



Sombin-kafatra tsy nahy
no nahafantaranao ahy
tamin'ny andro harivariva
teny amoron'i Tritriva

nisy izaho, nisy ianao
dia nanjary nisy ho azy
ny tsiky sy hafaliana
tao anaty hamamiana

Sombin-kafatra fitia
ho anao izay mankafy
ny miara-dalana amiko
tena ahy fa tsy indramiko

Mahenina
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1204 0
Hevitra mandeha
mahni ( 18/09/2006 14:34)
Nosoratana ho an'i Mampionona Nirina TIANA
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : MAHENINA
Nampiditra : mahni
Daty : 16/09/2006 13:56
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0129