You are here: home > Vetso

vetsovetsom-poko - MAHENINA

Azo vakiana?

Vetsovetsom-poko


Tsy manam-paharoa ny toetra anananao
Tsy misy toa anao raha mbola eto an-tany
‘reo bedibedinao ahatsiarovako anao
Raha nalahelo ianao za koa mba tomany

Tontolo tsy hita maso,tontoloben’ankaso
‘reo sisa tavela, dia ny  bitsiky ny ela
ny lohataona faly, tsaroako vao omaly
ny oram-batravatra, io no nahazatra

ny orana mikija tsy hamela ny ato anatiko
mba hirijarija,satria mila tsy ho tantiko
ny hisaina hoe :”lasa hono ianao”, tsy hiverina intsony
ny hoe:”lasa izy nandao”, satria naratrako ny fony

nisampan-droa ny lalantsika
nanelanelana ny hatsiaka
kanefa mino aho f’indray andro any
mbola hihaona ihany izany

mbola hihaona indray ny lalalntsika any aoriana
kanefa lalan-droa samihafa ny ahy sy ianao ry Tiana
resaka madio , mangarahara, resaka tsy adaladala
satria izaho sy ianao amin’izay efa manana malala


ANDRY LVT

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : MAHENINA

Nampiditra : mahni
Daty : 06/01/2007
Mpamangy : 1896
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

Sombin-kafatra