Sarotra amiko ny ihangavy (Mahfaly rt)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Sarotra amiko ny ihangavy na ilela paladia
ny hitambatra, hiara dia ka ho doria
kanefa dia voater'ity foko tena tia
izay adala te hifaningotra te hankafia

Asa! mety sarotra aminao ny hamaly
satria nisalasala ny ihara-paly?
sa tsy te hamitaka, handratra
ity fo adala te hifaningotra?

Nefa sarotra amiko ny hino
fa ianao mahafatifaty mamiratra
niriko ho mpanilo.
Dia handa ka hanadino

Ka sarotra amiko ny hanery
hitondra sandry hanampat'hery
satria hatsarana no nangatahina
fa tsy ady, tsy ampilamina

sarotra amiko koa ny hitalao
na hanao ny tsy fanao
nefa ataoko izany nohony fitiavako anao
sarotra amiko ny ihangavy na ilela paladia
ny hitambatra , hiara dia ka ho doria.
Kanefa dia voaterin'ity foko tena tia
fo adala te hifaningotra , te hifankatia
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
799 1
Mpakafy: Mahfaly rt
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Mahfaly rt
Nampiditra : mahfaly rt
Daty : 07/04/2016 08:59
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
Tononkalo hafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146