Sampanana - mahorani
Azo vakiana?
SAMPANANA
Tsy voatery foana hoe, tsy maintsy ho tafara-dalana;
Satria mino mihitsy aho, fa eto angamba ilay sampanana;
Izay tsy ahafahana manoatra, ka tsy maintsy isarahana!
Fa ianao mety hiankavia, ary izaho mety hiankavanana!
Fa ny lalantsika ety, efa voafaritra mialoha:
Toy ny kotroka mitrena, izay manombana ny orana;
K'aza asianao teny akory, izay niainana taloha,
Fa ekeo kosa izao, hoe lalana tsy maintsy hizorana!
Ka raha hiankavanana aho;ary ianao ndeha hiankavia;
Dia aza miherika ka hoe, hijery ny tany aoriana tany!
Fa izaho miteny anao, hoe minoa ary matokia:
Fa hiezaka aho aty, mba hanao toy izany!
Soava dia, tsy ho solafaka, ho tafita soa aman-tsara,
Mba ho tojo izay irina , hanakaiky hasambarana;
Fa ny amintsika kosa aoka hivalona ho tantara:
Toy ny tantara rehetra izay tsy maintsy hofaranana.
Mahorani(Sejianis)
Mombamomba
Mpanoratra : mahorani
Nampiditra : sejianisDaty : 14/04/2004
Mpamangy : 1439
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
SAMBATRA HO'AHOSAMBATRA HO'AHO
SAMBATRA HO'AHO
NY LASA
TSY IZANY NY FITIA
TIAKO FOANA
KANTO
Namako
Mpanjono nangaina
Ho inonao ??