SAMBATRA HO'AHO (mahorani)
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SAMBATRA HO'AHOSambatra ho'aho
Ireny olona ireny
Miaraka ombieny!!
Mba izaho hono anie
No manana re
Olona tiana
Izarana hafaliana!!!
Sambatra ho'aho
Ny manan-katao
Isan'andro izao
Mifaly mazàna!!
Mba izaho hono nama
No mana-karena
Tsy miandry omena!!!
Sambatra ho'aho
Ireo manana namana
Mba iarahana
Izarana ny mety!!
Mba izaho hono, leitsy
No manan-drahalahy
Dia ho faly fanahy!!!
Sambatra ho'aho
Ireo tsisy mpijery
Fa mahay miain'irery
Sy tsy miataraina!!
Mba izaho, savolaina
Fa tokana, sina
Miaina mangina!!!
Mahoranï
--------
Rohy:
https://vetso.serasera.org/tonokalo/mahorani/sambatra-hoaho-1
Sokajy :
Eritreritra mandalo - Alahelo