You are here: home > Vetso

Halatra - MaMi

Azo vakiana?

HALATRA

Nantenaiko anie isika
Hoe samy tampi –maso:
Samy jamba, samy tia.

Feo no nifandraisantsika
Antsoantso hoe andraso
Nino izany aho satria :

NitantarĂ na fa efa jamba
Ny maso roa voatampin –damba

Nefa… hay nisy ihany halatra
Taminao hahalala ny amiko
Sy izay miafina ato am –poko

Dia mody hoe : “hiandry lahatra.”
Na izany aza anefa
Mamiko
Ianao nijery an –tsokosoko.

Naniratra ny maso an’ila
… dia mody nampifilafila

MaMi
19/06/04

Sokajy : FITIAVANA

Hevitra mandeha

sarondrahona (08/07/2004 13:07:25)

Ny lafiny kanto eo amin'ny sehatry ny fitiavana no naharesy lahatra ahy tamin'ity tononkalo ity, ka nampidirako azy eto, hozaraina aminao. KANTO ILAY TONONKALO

hery (18/07/2004 10:46:44)

Tena tsara ilay tononkalo
- Lafiny hevitra. Halatra fitia, mateti-pitranga eo amin'ny fiainana. Mody tsy tia.
- Lafiny rindra. Toa izao no fahitako ny firindrany ka tena nahafinaritra ahy. Angamba misy ireo tsy mahatsikaritra ny rindran'ny rima amin'ity.
A
B
C

A
B
C
D
E

A
B
C
A
B
C
D
E

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : MaMi

Nampiditra : sarondrahona
Daty : 08/07/2004
Mpamangy : 661
Mankafy : 1