FANTATRO!!! - Mampikanto
Azo vakiana?
Fantatro!
Fantatro fa tsy ho ahy...
Hadalana angamba ny ahy!
Nefa ho avy ny fotoana
Ialako indray ny saona,
Mangina no hany fanafana
Itelemana ny ngidy
Tsy didy ny ahy fa safidy
Hisedra indray ny fasana
Fantatro fa tsy ho ahy
Ity vatako toa manahy
Toa zary mangina sy moana
Raha mahatsiaro ilay fotoana
Fijaliana, fihafiana
Mety koa ho fahoriana
Ny fandaozana ny tany
Ilay safidy tany ho any....
Fiainana izany hoy ianao
Angamba, nefa toa zary kilalao!!!
Mampi_kanto
18/08/03
Sokajy :
Fitiavana
Mombamomba
Mpanoratra : Mampikanto
Nampiditra : mampikantoDaty : 01/10/2003
Mpamangy : 10310
Mankafy : 2
Tononkalo hafa
TSY FANTATRAO!!!ANY IANAO
Antso!
Serasera
Lazao
Tia
Safidy
Alina mangina
Ho inonao !
Tonokalo ho anao