EMBONA (mandan'ny fo)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
manimanin'olon-tiana hono
manembona irery
tsy natao hisy mpijery fa
kobonina ao ampo

irery eo ampandriana
tsapa mamirifiry
tsy afa-manoatra fa mikiry
te hanavao ny taloha

embona tsy hay zakaina
no indro mameno ny ao anaty
mavesatra tsy tanty anefa
fa indrisy lavitra ahy ianao

ka ny embona no sisa
mameno isan'andro
tsy ariva tsy atoandro
entiko mamisavisa ny ho avy

eny, mamisavisa ny ho avy
ny ho oe anilanao hatrany
mandra-pialako eto antany
no katsahiko mangina

ka matokisa ahy rahavako
na tsy hitanao ary ny tavako
dia tononiko amin'ny vavako
ny hahasambarana ho anao

ny tandindon'ireo lasa
no anomanako ny ampitso
tsy ho ravan'ny ankaso
fa fitia mandramaty
no antony ilay embona ato anaty
--------
Rohy:
535 1
Mpakafy: RwodyN
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : mandan'ny fo
Nampiditra : RwodyN
Daty : 24/11/2022 19:12
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014