LAZAO AZY (mandan'ny fo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Lazao azy hono hoe
fa ianao no tsy mila soratra sy mariazy
Lazao azy fa
Ny anao fitia saritrariny fotsiny ihany
Lazao azy ary
Fa fiainana nataonao vazivazy ihany
Reo zay rehetra vita
ka rava maina no niafarany


Lazao azy akia ah
Lazao azy fa ianao no nanakana fahasambarana
Lazao azy fa
Ianao no nanapaka ity fifankatiavana
Lazao azy ny marina
fa ny menaky ny aiko hono anao tsy nikambanana
dia nanaratsy ahy tamin'ireo havana sy namana

ny fahadisoako
no nahelinao eny rehetra eny
fa mba nolazainao azy ve
ny antony nahatonga ireny?

sa mba nolazainao ihany koa
ireo fahotana vitanao
fa ny antsika tsy tonkatranon'olon-droa
fa indrisy, natao kilalao

izao tontolo izao
nomenao loha ankahala ahy noho ny fahamarinako
sa mba nolazainao azy fa ianao no fositra?
hitsakitsaka, tsy firarahiana lay fitiavana natolotro
no any sisa nafeninao tsy hita soritra

lazao azy anefa
fa tsy nankahala anao akory ity farany
fa nanome safidy malalaka fotsiny ihany
ary ho tiany foana ireo menaky ny ainy
mandra pikipin'ny masony eto antany
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo - fiainana - Fitiavana
603 2
Mpakafy: Justinrmj - RwodyN
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : mandan'ny fo
Nampiditra : rwodyN
Daty : 24/11/2022 07:29
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0934