Tiako ianao (ManGela)
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy voalohany aho fa tsy haiko hoe fahafiry Ianao kosa tsy hisolo impiry impiry
Inao no ho ahy mandramaty
Satria fitiavantsika tsy ho faty
Noho izany ary ry Malala
Ireo olanao tsy tianao hisy hahalala
Teneno amiko ary ry tiako
Ny tsy hampalahelo anao no mba hany faniriako
Ekeko hoe izaho aty an-tany lavitra
Kanefa ny foko sy ny fitiavako tsy manalavitra
Antananarivo sy Antsirabe
Mitenena fa izaho vonona handre
By ManGela
Le 31/05/26
--------
Rohy:
Sokajy :
Aingam-panahy
