Dia lasa ianao (masoandrokely vao namiratra)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
maro be 'reo zavatra tiako ambara
eo koa 'lay fitiavana, diso tafahoatra angamba
nokoboniko mangina
tsy sahiko nozaraina
satria tsapako efa hatry ny ela
fa tsy ho ahy ianao ry tiana

ndray andro anefa tsy nampoiziko
toy ny taratr'hazavana
indro ianao nanantona ahy
nitondra tsiky sy hafanana
tsy niahotra intsony aho, tsy nisalasala
namboraka fitia, lasa nagarahara

fatsy nisy teny afaka nanambara
na nampitahy zany hasambarako
toa nofy sa tantara
tsara loatra ka tsy maintsy hiafara
nakipiko ny masoko, ianao anilako eo
nahiratro indray sao lasa teo ianao

indrisy tokoa ry malala
nofy ihany raha ny ahy
'zay tokoa ve no anjara
sa mbola ho avy ny andro iray
tsy hitomany aho sanatria
nefa kosa manantena
fa ho tojo anao ndray
'lay fitiavako tsy mihena

naleoko ihany tsy nifoha
tahak'izay mbola teo ianao
nanonofy anao aho
aloka sisa anilako eo
...
--------
Lien:
1053 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : masoandrokely vao namiratra
Inséré par : pipiso
Date : 01/03/2005 21:32
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
Autres poèmes
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139