Soava dia (masoandrokely vao namiratra)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
dia lasa tokoa ianao
handao 'ty fianakavianao
tiavo izy, mahazoa fahasambarana
veloma, ataovy harena sarobidiny ianao
ianao 'zay sarobidy taminay
fianakaviana vaovao ndray
no idiranao
mitondra fahasoavana any
ajanony ho anay ny tomany
te-hitazona anao 'zahay
ny any nefa koa te-handray anao
ataovy zay mety sy ahasoa
f'izahay tia anao hatrany
zahay mety hanenina
zareo mety manantena
raha toa mitomany ianao miala eto aminay
mitsikia rehefa tonga any
veloma soava dia
--------
Lien:
757 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : masoandrokely vao namiratra
Inséré par : pipiso
Date : 01/03/2005 15:11
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143