SAINA (Mbiou)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Entaniko ianao, mba hanangana SAINA.
FOTSY MANJOPIAKA taratry ny maraina:
Mandry fahalemana, anaty firaisan-kina,
Mitovy fijery, tsy maneho fiamboni(a)na.

MENA MIDOREHITRA, hanehoana ilay fitiavana,
Hanomezan-kasina ny rĂ  nalatsaky ny razana.
Ilay niady sy nitaky, hahazoana fahafahana.
Hahaleo tena, tsy hisy intsony fanjanahana.

Ary MAINTSO MAVANA , toy ny atin'ny ala,
Endriky ny tontolo, sy ny fanantenana.

Ka taomiko ary isika, iangaviko re ianao:
Mba fotsio hanjopiaka, sy aredaredao,
Mavano ihany koa, ka hihavao hihasoa.
Ilay Tanindrazana malala: Madagasikara soa.
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana
5 1
Mpakafy: Mbiou
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Mbiou
Nampiditra : Mbiou
Daty : 09/06/2026 13:36
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
Tononkalo hafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0111