Valim-babena - Mia
Azo vakiana?
Dada malako sy Neniko izay
Dia fola-damosina ery taminay
I Neny no nitaiza, nibaby, nanasa
I Dada isan'andro torovana miasa
Izaho no tomady sy tena salama
I Dada no vizana be nikarama
Izaho no olom-banona
Sady hendry tsara
I Neny no sasatra nikarakara
Mba inona kosa no havaliko ireny
Fitiavan-tsy ritran'ny Dada sy Neny
Manaraka tsara izay anatra omeny
Dia mivavaka ho Azy no valim-babena
Sokajy :
Fitiavana
Hevitra mandeha
nikopol (30/07/2007 13:00:12)
pffff
tsy mia zany no mpanoratra anio
hmilay (06/08/2007 08:05:43)
ka ts haiko ny nanoratra fa za nge lz mia nampiditra an'io hein!
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : Mia
Nampiditra : hmilayDaty : 27/07/2007
Mpamangy : 3851
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
Ny saka sy ny totozyMahaiza misaotra