Valim-babena (Pierre Robert Ralandy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Dada malala sy i neniko izay
Dia fola-damosina ery taminay
I Neny no nitaiza, nibaby, nanasa
I Dada isan'andro torovana miasa

Izaho no tomady sy tena salama
I Dada no vizana be nikarama
Izaho no olom-banona sady hendry tsara
I Neny no sasatra nikarakara

Mba inona kosa no havaliko ireny
Fitiavan-tsy ritran'i Dada sy Neny
Manaraka tsara izay anatra omeny
Dia mivavaka ho azy no valim-babena
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana - Fiainana
7044 2
Mpakafy: hery - injariavyeulalie
Hevitra mandeha
nikopol ( 30/07/2007 13:00)
pffff
tsy mia zany no mpanoratra anio

hmilay ( 06/08/2007 08:05)
ka ts haiko ny nanoratra fa za nge lz mia nampiditra an'io hein!
patrickmjk ( 20/06/2024 12:19)
Pierre Robert Ralandy no mpanoratra an'io.
hery ( 20/06/2024 12:43)
Misaotra anao nilaza ny tena mpanoratra
SANAKERIB ( 25/06/2024 04:43)
Tsianjerinay tamin'izany , kilasy taona faharoa na taona fahatelo , tena bedy raha tsy mahay tsianjery aaa, izao inona no eo , ny ankizy aza tsy mahay mamaky teny malagasy intsony.Ny taona 1984 IZANY. Ny Andri-Fara
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Pierre Robert Ralandy
Nampiditra : hmilay
Daty : 27/07/2007 09:29
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141