BIBIOLONA (Miarina RF)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
BIBIOLONAMisy heritreritra ny olona
Fa ny biby tsy hambaka an'izany,
Ny misy dia niara-nitolona
Fa tsy vitan'ny hoe :''mpaminany''.
Mijoro mahintsy ny olona
Ny biby koa anefa mandady,
Fa nahoana ireo mpiara-belona
No dia mifandroy amin'ny tady ?
Mahay miteny ny olona
Ny omby koa nefa mitrena,
Fa nahoana no sintosintonina
Ny nonony rehefa terena ?
Misy fanahy ny olombelona
Fa ny biby koa misy atidoha,
Aza gaga raha misy domelina
Rehefa avy minan-kisoa !
Mivavaka anefa ny olona
Ny biby angaha mpanompo sampy ?
Samy velona niara-nitolona
Ka aza mifanindrona antsy !
Ny biby tsy tahaka ny olona
Fa ireo biby no amidy eny antsena,
Raha nandà ireo tsy laitra tolomina
Ka aza asina faneriterena !!?
(...)Miarina RF
--------
Rohy:
Sokajy :
Aingam-panahy
Mpakafy:
Miarina97