S O M B I N Y (Miarina RF)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
S O M B I N Y

Ny tia sy ny tiana
mifankahalala,
no fitia nofidin'
ny maro mpandàla,

Ny tena fitiavana
maro sampana
mitombandavana
misy fiadanana

no tena lalana,
enti-mandatra
ny hany fananana
anjara sy lahatra,

indrindra ny tendry
napetraky ny Avo
izay vina nikedry
ireo kivy tsy ho lavo,

mihoby ny mpino
fa tsy diso anjara,
ireo sisa tsy mino,
mbola miandrandra

ny takona miafina
tsy efan'ny velona,
anaty fitiavanan'
saina domelina,

ireo hendry manaiky
fa misy ny lahatra,
mahatoky sy miaiky
fa misy Andriamanitra,

tsy takatrin'ny olona
ny azy fetrany,
na aza hamonina
ireo voa nafafiny

tsy havita hitaratra
ny habaka misy
sy handrefy lanitr'
ireo zava-misy

avy amin'ny nahary
nametraka lova,
dia ireo voahary
no miara-mandova,

na biby na vorona
tsy misy navahana
indrindra ireo olona
no tena manana

ny erany mihoatra,
ka faly dia faly
ilay tany nivoatra
fa tsy toy ny omaly,

dia iny ireo jaly
fa tojo ny mamy
ka tsy hafa-namaly
ireo mpanambitamby,

Ilay vainga voaramby
ny misy tsy takona
izay toy ny vangy
tsy afaka afenina,

mantsy nanenina
raha tsy nitia,
ireo sisa domelin'
ny ondry nania,

ny tia toy embon'ny tany
miandrandra ny lanitra ka,
ny ambony no re mitomany
rehefa ny ambany hoe manimanitra,

ny endrika tsy hita
no indro banjin'
ny maso mahita
malaina ho hadinina,

sisa ny sary
no indro fihinina
rehefa mamiry
NY ANDRO RIRININA !

Miarina RF ["tsiaro"Andasibe Mantadia ...2016]
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
112 1
Mpakafy: Miarina97
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Miarina RF
Nampiditra : Miarina97
Daty : 04/06/2024 06:45
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
Tononkalo hafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0323