Nahoana ary no tsy ianao (Miarisoa Faraniaina)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nahoana ary no tsy ianao ilay mpanonona fitia rehefa anaty fasambaranaNahoana ary no tsy ianao ilay ravaka vantaniko rehefa mbÿ ambaravarana
Nahoana ary no tsy ianao ilay hany omeko anarana antsoina hoe andefimandry
Nahoana ary no tsy ianao ilay mpanoroka ny molotro sy mpiondana ny sandry
Nahoana ary no tsy ianao ilay mpanaza haizina rehefa indro maty jiro
Nahoana ary no tsy ianao ilay mpizara fihadanana sy mpamahana matsiro
Nahoana ary no tsy ianao ilay pejy izay famakiko amin'ny alina mangina
Nahoana ary no tsy ianao ilay atsokotsoko anarana rehefa oram-pifalina
Nahoana ary no tsy ianao ilay maso mifanatrika raha vao mifoha maraina
Nahoana ary no tsy ianao ilay toerana fonenako izay ho saha sy zaridaina
Nahoana ary no tsy ianao ilay mpanomana kafe alohan'ora mba hiasana
Dia nahoana no tsy ianao ilay mpibedibedy ireny rehefa misy fahatatana
Sa raovina vao ianao ilay mpiantsampy ety antratrako
Sa raovina vao ianao ilay mpanitrana ny ratrako
Dia raovina vao ianao no antsoiko hoe malalako
Dia raovina vao ianao no mpanjaka anaty valako
Androany aho manantena
Ny ampitsotsika mifanena
Dia ianao Daholo ireo..
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : Miarisoa FaraniainaNampiditra : DADAFARAtolotra
Daty : 02/09/2025 18:33
