You are here: home > Vetso

... - Mimijolie

Azo vakiana?

Raha mbola eto an-tany
Hisy fahoriana hatrany
Ka ny fo hatanjao
Ny saina hatrakao

Raha ny alaelo no visaina
Iombohonantsika 'zany ry aina
Ka Iaraha-mizaka
Ndeha hiara-hitraka

Fandalovana ny eto an-tany
Anjara sy lahatra izany
Sao adinonao anefa
Ireo mamy niarahana tsy lefa

Aza ketraka
Fa ho avy ny maraina
Hitondra fifaliana
hamongatra ny adi-tsaina
Ka ny toky hajario
Ny finoana koa tafio
ANDRIAMANITRA ITOKIO

Sokajy : Fampaherezana

Mombamomba

Mpanoratra : Mimijolie

Nampiditra : joliemimi
Daty : 30/10/2007
Mpamangy : 999
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

CONFUSION
Sans fa├žon...
Penserie...
'Zato Enao
TAHOTRA
DILA