ANJARA (Miothyfifaliana)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
raha tojo ny mafy tsy laitram-panidytandremo mihafy fa hoe vita hidy
fa miezaha hioitra hiarina amin'izany
manĂ na fanoitra atsaharo ny tomany
ekena tokoa fa izany no anjara
nefa tsy mahasoa ny mianki-tarara
herezo ny finoana ary koa matokia
fa ny hery tsy ho foana na ho very sanatria
fa lalan-ko diavina izany anjara
tsy sanatriavina na ratsy na tsara
koa dia mionona raha tsy afaka hiady
tandremo sao hirona handrongam-bavahady
--------
Rohy:
Sokajy :
fiainana