22 NOVAMBRA (MiséVonjy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ho inona moa no azako atao fa dia tsiahy fotsiny
r’ilay tokan’ny fo izay efa natao ho namako iny
no ho setrin’ny andro tamberina androany izay nahaterahana
fa na ny nahandro dia torak’izany tsy maintsy noferana

Tsy miafina indro ny ato an-trano hainao tsara
fa mbola hafa-mamindro tsy hoe angano ka atao ho tantara
amin’izay misy izaho sy ianao koa andeha hifaliana
ny andro sisa ho tontolo vaovao sy mbola havariana

Satriko mantsy mba tontolo hafa no hisy antsika
ho henika vatsy korana sy tafa sy tsy hangatsiaka
saingy tsy mety ny fo fa mafy loatra ny zava nisy
ka nakarary ny loha nahatonga ahy hitroatra fa olona vitsy

No indreo fa mibodo mangeja safidy milaza ho mpamonjy
fa dia zaza bodo no tsy refesi-mandidy amin’ireo mila vonjy
ren’ny sofiko hitan’ny maso mijaly aok’izany
ka ilay tokako nataoko hoe andraso fa miantso ny tany.

Izay mba tahiry tokony ho anao tsy haiko noferana
fa tonga nitsiry tanatiko tao tsy hoe fanaperana
ny tsimoka hiady hivono-kandresy hijoro hatrany
ka mba hitady sy ho mpandresy na dia hitomany.

Ka hifonako akia tsy hoe manadino tsaroako tsara
fa na dia mahia sy tsy mampino mbola azoko ambara
ka atao fanomezana mariky ny androany tsingerin-taona
ito tenako tsy mivena na vonto tomany fa ho afa-tsaona

Ny fiainan-tsika ka hamiratra indray ilay afo tsy maty
ka ho samy sariaka hisaotra ny Ray sy hivavaka anaty
fa ny taona ho avy ireo andro sisa izay mbola omeny
ho antsika mivady ho lavitra kisa ka hanjakan’ny TENY.
--------
Rohy:
1761 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : MiséVonjy
Nampiditra : zavotany09
Daty : 25/11/2011 15:29
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146