ADY SY TOLONA (MiséVonjy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny foko ve no hampanginina tsy hitepo fitia intsony
sa ny masoko mijery no hakipy tsy hahita ny endrikao
fa ady sy tolona isan’andro ny miady amin’embona
tsy mahasaraka, misento lava te ho anilanao .

Sa ny tahiry mitoetra an-tsaina tsy maty kosehina
no endahina hiala ka hatsipy lavitry ny vetso
fa ady sy tolona isan’andro ny miady tamberina
mialoalo mamikitra, tsy miala fa namako eto.

Sa ny làlana nizorana, nampiarahana famindra
no tsy ho diavina intsony, fa manditsoka maso
fa ady sy tolona isan’andro ny miady ny tsara indrindra
ilay nitiavako anao na dia nampirotsaka ranomaso.

Sa ny fiainako mihintsy, ilay efa natolotro tanteraka
hiara-dàlana aminao na ho mora na ho sarotra….
fa ady sy tolona isan’andro mantsy no sedraiko reraka
mamelona ny fitiavako, am-pelatananao….miady varotra
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana - Aingam-panahy
1433 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : MiséVonjy
Nampiditra : ZAVOTANY09
Daty : 12/07/2011 15:49
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101