ANTSO - MiséVonjy
Azo vakiana?
Sendra mba nitopy, ity masoko nijery
hendratra ny foko, nahatsiaro ho irery
fa toa any aminao, lay fanalahidy
notadiaviko hatrin'ny ela...tsy tadidy
Fa taiza ianao…notadiaviko efa ela
tao anatin'ny tsy fantatro sy ny sisa mba tavela
fa nandalovanao ny masoko, ny foko tao anaty
velombelombolo aok’izany, tondrak'orana tsy maty
Angamba tsy ho kisendra ito lala-mifanojo
fa ny lahatra mihintsy no vintana voatondro
anjaran-tsika ny ampitso ka hihainana anio
koa raiso 'zany foko, ny antsony valio
Analakely 28 jolay @ 5 ora folakandro sy 31 minitra
Sokajy :
Eritreritra mandalo
Hevitra mandeha
mimi12 (13/11/2010 18:47:43)
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : MiséVonjy
Nampiditra : zavotany09Daty : 28/07/2010
Mpamangy : 765
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
raha sendra...tsy sahy
mandrakizay
TIA TOKOA
IANAO
Noro
RAKITRA
IZAHO ALOHA
TSY ILANA
NIFARANA