You are here: home > Vetso

AOKA RE ! - MiséVonjy

Azo vakiana?

F'ireo teny nolazainy, tsara rindra avokoa
nampihesona fanahy, saika raikitra am-po
tsy lainga f'efa roboka, falifaly aok'izany
fa nihevitra mihintsy, fa dia tokana aman-tany

Fa ny gadon'izany feony, toa vorona mikalo
siotsioka vao maraina, mampiherika mpandalo
dia nisonenika nihira, nampitovy tadin-dokanga
teo am-pihirana teo, teo vao hita fa janga

Ireny visavisa nolazaina nivoaka himolony
tsara rafitra aok'izany sy tonga dia natolony
saingy indrisy fa tsy nety, indro kely hoy ny mpandrafitra
fa raha ilay fitiavako tsy homeko, ho voageja sy voafatotra

Fa dia teny ireny dia teny, namboariny ho lazaina
handokoana aizim-pito, hanofisana maraina
ho misandratr'andro tsara, handrohizana kofehy
ny andro rehetra ho avy, hajanony aoka re !

Sokajy : Malalaka

Hevitra mandeha

Zozoro (02/09/2010 19:32:29)

misy aza toa tsianjery ...

Mankasitraka

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : MiséVonjy

Nampiditra : zavotany09
Daty : 31/08/2010
Mpamangy : 519
Mankafy : 1

Tononkalo hafa

raha sendra...
tsy sahy
mandrakizay
TIA TOKOA
IANAO
Noro
RAKITRA
IZAHO ALOHA
TSY ILANA
NIFARANA