DIARY SY TAHIRY (MiséVonjy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Dia nody indray ‘lay masoandro, mangingina ny tontolo
indreny miara-dia mikopak’elatra, andiana tsiriry
saingy kosa ato anatiko, injao manangatra daholo,
Izy mianakavy, dia I Diary sy Tahiry.

Ito taratr’andro, miantefa faram-parany
hakana hafanana, ho enti miatrika ny alina
lasa lavitra ato anaty, manazava izay ho làlany
hipololotra moramora, anaty fahatsiarovana lalina

Tsy fantatro mihintsy, na I Diary na Tahiry
izato manao amboletra, mampitsikafona ny lasa
valalanina ny foko, fa ny embona mitsiry
mahatsiaro ny omaly, ventsoventso sy fikasa.

Hilaza aho hoe Diary, ‘zato tonga mampatsiahy
ny làlana nodiavina, niarahana niharitra
dia ny fisentoana mangina, tsy mba nety sarak’ahy
voasoratra an-taratasy, kalokalo tsy mba ritra.

Nefa izato sento hiainako, volombolom-pahatsiarovana
voarakitra mihintsy, no tsy hananako firy
tsy lavitra fa akaiky, matoa ny foko torovana
hinoako mihintsy io, dia ekeko fa Tahiry

Saingy indrisy, saingy indrisy, na Tahiry na Diary
izato mampirotsaka rano, mitsotsorika amin’ny tavako
dia ianao ‘lay lasana iny, no tontoloko voaary
hilasian’ny fitia, ho kaloin’ito vavako

Fa ny andro izay niarahana, noraketiko an-tsoratra
an-tota-taratasy maromaro, maneho ilay mba nitsiry
natambatambatro ho boky, ho Diarin’ilay naratra
ho fahatsiarovana anao sy ‘lay fitia voatahiry.
--------
Rohy:
Sokajy : embona - Fahatsiarovana
1551 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : MiséVonjy
Nampiditra : zavotany09
Daty : 21/08/2010 16:12
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146