ERITRERITRA (MiséVonjy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Niezaka aho ny hangina, tsy hieritreritra fa
ireny lasan-tsika ireny, tsy mba hisy izay hitoetra.
Ho zavona tratr’andro, ka handena ito saha
Ka ho tany karakaina, ny fon-tsika tsy nifametra

Sarotra ny hino, fa mbola hisy fanadinoana
raha ny embona sy sento no sakaiza tsy mahafoy
na hanolatra aza ity fo, ito saina dia mino,
fa ny rivotra hiainana, hitondra fitiavana matoy

Angamba mety ho hafa, tsy hitovy aminao
ny tontolo izay ho avy, iza no mahalala
fa ny azoko lazaina, tena tsoriko dia izao
mbola hafa ilay omaly, r’ilay tiako malala

Hafa mihintsy mantsy ireny, lasan-tsika ireny
Sarotra tahafina, eny mety hisy ny mitovy
Fa teo anilanao aho, tena tsy ampy hoy aho ny teny
Fa mamy sady kanto, te-hiteny aho hoe tsarovy

Rediredy sisa lazaiko, fa matoa ianao no lasa
Tsy mba semban-drahona intsony, ny fitiavan-tsika roa
Fa rano be mikoriana, tsy hay tohaina ka nanasa
Izay mba niarahana rehetra, ka lasana avokoa
--------
Rohy:
1813 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : MiséVonjy
Nampiditra : zavotany09
Daty : 24/08/2010 13:57
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0105