FA TIAKO LOATRA IANAO (MiséVonjy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fa tiako loatra ianao, ka tsy foiko ho an’olo-kafa
Satriko tazomina, tsy ho simban’ny tontolo
fa tiako ho ahy irery, ilay feonao mitafa
mikalo ilay fitiavana, tsy nety bobongolo

tanaty ady sarotra aho, ilay feonao nohenoiko
nampitsimoka indray, ilay fanantenana efa maty
nampamelon’aina, ny lasa tsy hay novonoiko
fa tojo anao, nambarako ny rehetra sy izay tsy tanty.

Fa ny ady nosedraiko, nitolomako fony irery
tanaty alina mangina, nozaraiko taminao
ny senton’ny fo dia nody fifaliana, tsy foiko ho very
Ireny teny mamy sy ilay fitiavana izay natolotrao

Ilay ranomasoko nirotsaka namonto ny tarehiko
Noezahiko nafenina ho tomany voka-tsetroka
Fa ny masoko bongo, porofon’izay nafeniko
Porofon’ny fitiavako, ‘lay marina tsy meloka

Fa tiako loatra ianao, ho radon’ny fiainako
Hamiratra eo foana, sy voahangin’ny tontoloko
Ka tsy ho zaraiko,fa kanto sy lalaiko
Fa ianao no tena tiako, ahy ka hiambozonako
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
8436 0
Hevitra mandeha
Soarilala ( 16/08/2010 15:13)
Tena tiako loatra koa ilay tononkalo.
irinah1 ( 17/08/2010 10:50)
tena tia tokoa e!tsara le tononkalo e!Nandriana
irinah1 ( 17/08/2010 10:51)
tena tia tokoa e!tsara le tononkalo e!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : MiséVonjy
Nampiditra : zavotany09
Daty : 16/08/2010 12:28
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0106