FAHALEMENA VE (MiséVonjy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Te hiezaka tsy hampiseho fahalemena
ity foko izay nitia, te hijoro ho matanjaka
saingy vao mielatra ny tsiahy, tsy azo terena
ny fidobony mandratratra, injao fa mihanjaka

Ilay fitiavana nokoboniny, nanofisany tontolo
noezahina totofana tsiky sy hehy ivelany
fa mbola azy ilay fitia, tsy banga manontolo
tsy hanombinana na kely, tsy tapany fa erany.

F’izay atao rehetra, misy tandindony avokoa
na ny soratra soratana na ny teny vakiana
mampatsiahy ireo angola, nipololotra avy ao am-po
gado-kiram-pitiavana, tonga ho azy nahavariana

Fahalemena ve no mbola mitia, na ho fandavana aza
no ho setrin’ny hira ventesina sy mbola kaloina
fa sarotra eny mantsy, ny hikosoka dia hilaza
fa efa lasan’ireny, ka ndao ilay fitia ho vonoina.
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1323 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : MiséVonjy
Nampiditra : ZAVOTANY09
Daty : 12/07/2011 15:44
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0104