FETINAO ANIO (MiséVonjy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Vao nifoha aho ny maraina, niarina am-pandriana
dia toa verivery saina, nahatsiaro anao ry tiana
fa misy inona hoy aho, namerina tadidy
sa mbola be ny atao, mbola maro ny adidy?

Niverina aho am-pandriana, nakipiko indray ny masoko
nitadidy izay nariana, na izay tokony andrasako
dia indro anaty tsiahy, ny endrikao lalaiko
nanokatra fanahy, tamberina efa haiko

Izay tokoa hoy aho, niarina malaky, loky ny hehy
no tokony atao, no hilaozako matory, f’izaho tsy nahafehy
ny fotoana sy ny ora, ny andro sy ny volana, nandalo mba ho taona
nikorisa moramora, ny làlana nombana, ny lasa tsy mba foana

Fetinao anio, tsingeri-nahaterahana, ry tokana notiavina
tokana mantsy io, fa marim-pamatarana ny làlana nodiavina
dia hoy aho nisento, niarina mora, nandamina fisainana
fa raha mba teto, ilay hanitra miora, menakin’ny fiainana.

Mihomehy aho an-tsaina, mahatsiaro anao, mitodika ny lasa
sy ity foko tsy afa-miaina, miefonefona ao, mitadidy ireo fikasa
nofinofin-tsika, hirahira kanto, ventso takariva
angola toa mozika, ho fiainana milanto, manako toa antsiva.

F’ito fetinao, tsarovana androany, fetiko ihany koa
tsy mba kilalao, na zava-mora lany, fa rakitra ao am-po
ilay fitiavanao, natolotrao ho ahy, ilay tokana saro-bidiko
ao an-tratrako ao, mamelona fanahy, tokana nofinidiko

Firy taona moa, izaho sy ianao, nifanolotra fitia
nentanin’ny fo, noheverina ho lalao, ny antsan’olo-tia ?
ny tsingerin-taonanao, tsarovana anio, vitsy mpahalala
amboara vaovao, fitiavana madio, no hatolotro ry malala

Hamafisiko androany, ho vatofehizoro, haharitra doria
Ilay fitiavana tsy lany, tsy mba torotoro, natokako ho an-dri
Fa ito daty nahaterahana, tsy maty mbola hitoetra, ambadiky ny anio
Ho fanavaozam-pitiavana, tsy hisy fepetra, fitiavana madio.

Koa arabaiko ianao, ry soa malalako, ilay any notiaviko
Tratrin’ny anio izao, ry tiako sy havako, iriko mba ho aviko
Ilay Tsitoha, nampisy anao, hifanitsy amin’ny lalako
Hiahy anao ry Soa, ny andro hiainanao, ho SOA ry Malalako.
--------
Rohy:
4732 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : MiséVonjy
Nampiditra : ZAVOTANY09
Daty : 15/07/2011 14:04
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.01