You are here: home > Vetso

HABAKABAKA - MiséVonjy

Azo vakiana?

Malomaloka ny andro, tandindondin’orana
Mafanafana manempotra, maina rivotra mitsoka
Sempotrempotra embonembona, tena hana mahatorana
Alokalok’olo-tiana an-tany lavitra mampisioka

Maizimaizina ny tontolo, mihilan’andro ho alina
Kopak’elatra tsiriry, mifindra lasy tsy tamana
Kaikikaikitra tsiahy olo-tiana mahamanina
Tontolo sina mampangovitra, singan-drery tsisy namana

Hovitrovitry ny fo entanin’alahelo miloatra
Henim-pitiavana tokam-bolo, fotsy tara-pahazavana
Manaka-danitry ny nofy, fitiavana mitroatra
Manenika ny vatana, safononokin’ny fahafahana

Fa ambadikin’ny havoana, lavitra tsy taka-maso
Mialoalo ny omaly, tambesatrin’ny tia
Miandry mafy ‘lay malala, tsy mety resin’ny ankaso
Elanelan-kasomparana, ho resena ho doria

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : MiséVonjy

Nampiditra : zavotany09
Daty : 23/10/2010
Mpamangy : 765
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

raha sendra...
tsy sahy
mandrakizay
TIA TOKOA
IANAO
Noro
RAKITRA
IZAHO ALOHA
TSY ILANA
NIFARANA